Adin' ny Britanika sy ny Frantsay teto Madagasikara

Ny Adin' ny Britanika sy ny Frantsay teto Madagasikara (5 Mey - 6 Nôvambra 1942)

dia fanafihana nataon' ny Firenena mpiara-dia mba hahazoana an' i Madagasikara izay zanatany frantsay (faha Vichy) nandritra ny Ady Lehibe II. Ny fakan' ny Britanika an' io nosy io dia natao hisakanana ny fampiasan' ny tafika an-dranomasina japôney ny seranan-tsambon' i Madagasikara sy mba hisorohana ny faharavana na ny fahapotehan' ny lalan' ny sambon' ny Firenena mpiara-dia mankany India sy Aostralia ary Azia Atsimo-Atsinanana. Nanomboka tamin' ny "Opération Ironclad" izany, izay fakana ny seranan-tsambon' i Diego-Suarez (Antsiranana ankehitriny) akaikin' ny tendro avaratry ny Nosy, tamin' ny 5 Mey 1942. Izany ady izany dia atao hoe Bataille de Madagascar amin' ny teny fratsay sy Battle of Madagascar amin' ny teny anglisy.

Nosokafana tamin' ny 10 Septambra ny diabe ho fiarovana ny Nosy manontolo, izay atao hoe Operation Stream Line Jane. Niditra an-keriny tao anati-tany ny Firenena mpiara-dia, nifandray tamin' ny tafika teny amin' ny morontsiraka ary niaro ny Nosy tamin' ny faran' ny volana Ôktôbra. Niato ny ady ary natao fampitsaharana ady tamin' ny 6 Nôvambra. Io no hetsika goavana voalohany nataon' ny Firenena mpiara-dia amin' ny fanakambanana ny tafika an-dranomasina sy an-tanety ary an-kabakabaka. Napetraka teo ambany fifehezan' ny Frantsay Afaka ny Nosy tamin' ny farany.