Fiangonan' i Danemarka

Ny katedraly Københavns Domkirke ao Copengagen

Ny Fiangonan' i Danemarka na Fiangonana Evanjelika Loteranan' i Danemarka dia fiangonana loterana, ohanan' ny fanjakana any Danemarka. Ny fahefana fara tampony ivelan' ny fivavahana mifehy an' ilay fiangonana dia ahitana ny mpanjaka sy ny Antenimieran' i Danemarka (atao hoe Folketinget). Tamin' ny 1 Janoary 2023 dia 72,1 % amin' ny mponina any Danemarka no mpikambana ao, na dia an-tsitrapo aza ny maha-mpikambana. Amin' ny teny danoà izy dia atao hoe Folkekirken, ("Fiangonam-bahoaka") na, nefa tsy amin ny fomba oôfisialy, den danske folkekirke, ("Fiangonan' ny vahoaka danoà"), fa amin' ny fiteny grinlandika dia Ilagiit ("ny Fiangonana").

Ny kristianisma kalkedôniana dia nampidirin' i Ansgar, arsevekan' i Hamburg-Bremen tany Danemarka tamin' ny taonjato faha-9. Tamin' ny taonjato faha-10 dia nanjary katôlika ny mpanjaka Harald Blåtand Gormsen (na Haraldr Blátǫnn Gormsson, amin' ny teny nôrveziana) ary nanomboka nandamina ny fiangonana, ary tamin' ny taonjato faha-11 dia noraisin' ny olona amin' ny ankapobeny ny kristianisma manerana ilay firenena. Hatramin' ny Refôrmasiôna tany Danemarka, ity Fiangonana ity dia lasa loterana evanjelika, ary nitazona ny ankamaroan' ny fanao litôrjikan' ny Fiangonana Ambony talohan' ilay Refôrmasiôna.

Ny Lalàm-panorenan' i Danemarka tamin' ny taona 1849 dia nanendry ny fiangonana ho "fiangonan' ny Vahoaka Danoà" ary nandidy ny fanjakana mba hanohana azy io araka izany.

Eveka ao amin' ny Fiangonan' i Danemarka

Ny Fiangonan' i Danemarka dia manohy mitazona ny Episkôpata ara-tantara (izany hoe ny fampitana ny fahefana avy amin' ny eveka iray mankany amin' ny iray hafa.). Ny fahefana ara-teôlôjia dia omena ny eveka: eveka folo any Danemarka ary iray any Groenlandy, izay samy manara-maso diôsezy iray avy. Ny evekan' i Copenhagen dia primus inter pares (lehiben' izy rehetra).

Ny rafi-pitantanam-piangonana ao amin' ny Fiangonan' i Danemarka dia episkôpaliana. Nisy mpikambana niisa 4 276 271 ilay fiangonana tamin' ny Janoary 2012, izany hoe 72,1 % amin' ny mponina ao Danemarka. Tsy misy ny arsidiôsezy. Mizara ho diôsezy miisa 11 ilay fiangonana ary misy paroasy miisa 2 163 tamin' ny taona 2019.

Jereo koa