Fiangonana Prôtestanta Mitambatra ao Belzika

Ny Fiangonana Prôtestanta Mitambatra ao Belzika dia fiangonana kristiana an' ny vitsy anisa ao Belzika, izay Katôlika ny ankamaroan' ny mponina. Io no fiangonana prôtestanta lehibe indrindra ao amin' ilay firenena. Ny anaran' io fiangonana io amin' ny teny neerlandey dia Verenigde Protestantse Kerk in België (VPKB), fa amin' ny teny frantsay dia Église Protestante Unie de Belgique (EPUB), ary amin' ny teny alemàna izy dia atao hoe Unierte Protestantische Kirche in Belgien. Manana mpikambana 50 000 eo ho eo ilay fiangonana.

Ny Filohan' ny fiangonana ankehitriny dia i Steven Fuite. Ny biraon' ny fiangonana dia ao Brogniezstraat na Rue Brogniez any Anderlecht (ao Brussels). Ity fiangonana ity dia mpikambana ao amin' ny Fihaonamben' ny Fiangonana Eorôpeana sy ny Fiombonan' ny Fiangonana Nohavaozina Maneran-Tany.

Mpandova ny fankatoavan' ny Fanjakana Belza ny sinôdany tamin’ ny taona 1839 ny EPUB, izay vokatry ny fikambanan' ny fianakaviana ara-panahy prôtestanta lehibe indrindra any Belzika, tamin’ ny taona 1978.

Ny EPUB dia ahitana ny firehana teôlôjika prôtestanta isan-karazany, manomboka amin' ny an' ny fiangonana ao amin' ny teôlôjia nohavaozina, loterana na evanjelika, ka hatramin' ny an' ny fiangonana prôtestanta liberaly. Tamin' ny taona 2015 ilay fiangonana dia nandany ny fanaovana ôrdinasiôna ampahibemaso ny pelaka sy ny lesbiana ho pasitora. Ny fanaovana ôrdinasiôna vehivavy sy ny tsodranom-panambadian’ ny samy lahy na ny samy vavy dia ekena.

Jereo koa