Tantaran' i Okraina

Sainan' i Okraina
Sarin-tanin' i Okraina

Ny tantaran' i Okraina dia ahitana ny tantaran' ny fanjakana mahaleo tena (teo anelanelan' ny taona 1918 sy1920 ary nanomboka tamin' ny taona 1991) ary koa ny tantaran' ny tanin' i Okraina talohan' ny fahaleovantena.

Fiavian' ny mponina

Tamin' ny voalohany dia nonenan' ny Skitiana, avy eo ny Sarmatiana, i Okraina ka niharan' ny andiam-pananiham-bohitra nataon’ ny Barbariana talohan' ny fanorenam-ponenana nataon' ny Varangiana (na Varega) ary nanorina ny Fanjakan' i Kiev tamin' ny taona 822, dia i Kiev renivohitry ny Fanjakana Rosiana voalohany tamin' ny taonjato faha-11 sy faha-12.

Tamin' ny taonjato faha-13 dia nanafika an' ilay faritra ny Môngôly, ka nahatonga ny faharavan' i Rosia Kieviana. Any andrefana, ny Fanjakan' i Galicia-Volhynia, naorina tamin' ny taona 1199, dia tsy dia niharan' ny fanafihan' ny Môngôly loatra raha mitaha amin’ ny faritra hafa, nefa lasa teo ambany fifehezan' i Pôlônia tamin' ny taonjato faha-14. Tamin’ izany fotoana izany ihany dia resin' i Litoania koa i Kiev sy ny faritra misy azy, nefa taty aoriana dia lasa fananan' ny Pôlôney. Tsy naharesy ny Kôsaka zapôrôziana mpiara-dia amin’ i Rosia anefa i Pôlônia.

Ireo tany ao atsinanan’ i Dniepr dia nomena an’ i Rosia tamin’ ny taona 1667, araka ny fifanarahana natao tany Androussovo. Ny sisa amin' i Okraina, ankoatra an' i Galicia, izay nifamatotra tamin' ny Empira Aostrô-Hôngroà tamin' ny taona 1772 ka hatramin' ny taona 1919, dia nampidirin' ny Empira Rosiana tao aminy taorian' ny fizaràna fanindroany an' i Pôlônia tamin' ny taona 1793.

Fahaleovan-tena tamin' ny taona 1917 – 1921

Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, taorian’ ny Revôlisiôna Bôlsevika tamin’ ny taona 1917, dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Okraina, izay nanohizana ny fanindrahindram-pirenena (nasiônalisma) matanjaka. Nandritra izany fotoana izany, tany Galicia sy tany Bukovina ary tany Okraina karpatiana, ny Okrainiana teo ambany fitondran' i Aotrisy dia nanafaka ny tenany ary nanorina, tamin' ny taona 1918, ny repoblikany manokana tany Galicia Atsinanana; ka tsy ela akory dia nanatevin-daharana an' i Okraina rosiana mba hanangana federasiôna. Herintaona taty aoriana anefa, lasa prôtektôrata pôlôney i Galicia Atsinanana taorian' ny fihaonambe natao tany Paris.

Nambara tamin' ny Novambra 1917, ny Repoblika Okrainiana Mizakatena izay notarihin' i Simon Petliura avy any Kiev (na Kyiv), dia niatrika, tamin' ny Desambra 1917, ny Repoblika Sôvietikan' i Okraina, izay notohanan' ny Bôlsevika, repoblika izay niorina tao Kharkiv (na Kharkov) ary notarihin' i Rakoski. Nofehezin' ny tafika alemàna hatramin' ny Desambra 1918 taorian' ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana tao Brest-Litovsk (tamin' ny volana Marsa 1918) i Okraina, nefa notarihin' ny governemantan' i Petliura indray, ka niatrika ady mahery vaika nipoitra hatramin' ny 1921 teo amin' ireo Tafika Fotsy avy any Wrangel sy Denikin izay nifanandrina tamin' ireo Bôlsevika.

Tamin' ny taona 1920, ny governemanta nasiônalista dia niray tamin' i Pôlônia tamin' ny ady amin' i Rosia, saingy ny fandrosoan' ny tafika bôlsevika dia nahafahan' ny governemanta sôvietika hifehy an' i Okraina, izay nozaraina nandritra ny fifanarahana tao Riga (1921) tamin' i Pôlônia, notolorana an' i Galicia Atsinanana sy i Volhynia, ary i Rosia Sôvietika, izay notolorana ny Repoblika Federalin' i Okraina tamin' ny taona 1922.

I Okraina tao amin' ny Firaisana Sôvietika

Sainan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Okraina

Hatramin' ny taona 1939, ny Firaisana Sôvietika dia nanao izay azony atao hanafoanana ny nasiônalisma okrainiana. Nijaly ilay repoblika noho ny famoriana an-tery ny fambolena sy ny fitakiana sakafo any ambanivohitra, izay nahatonga ny mosary nahatsiravina tamin' ny taona 1932 sy 1933.

Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, taorian' ny fandresen' ny Sôvietika an' i Pôlônia Atsinanana tamin' ny Septambra 1939, dia nakambana tamin' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika Okrainiana i Galicia pôlôney. Rehefa nanafika an' i Okraina ny Alemàna tamin' ny taona 1941, ireo nasiônalista okrainiana, izay nanantena fa hisy repoblika mizaka tena mety hipoitra eo ambany fiarovan' ny Nazi, dia nanohanan mafy ny fibodoana. Noraisin' ny Tafika Mena i Okraina tamin' ny taona 1944. Nampangaina ho “mpiray tsikombakomba” ny Okrainiana, ka niharan' ny famoretana mahatsiravina. Tamin’ io taona io ihany dia nakambana tamin’ izy io ireo faritra tao Bessarabia sy i Bukovina Avaratra, izay romaniana, toraka izany koa ny faritr’ i Ruthenia tamin’ ny taona 1945.

Lasa mpikambana feno ao amin' ny Firenena Mikambana ny Repoblika Sôsiaista Sôvietika Okrainiana tamin' ny taona 1945, ho fampahatsiahivana ny fahaleovan-tenan' ilay firenena teo aloha. I Krimea, izay anisan' ny Repoblika Rosiana, dia nakambana tamin' i Okraina tamin' ny andron’ i Nikita Khrushchev tamin' ny taona 1954. Nanomboka tamin' io fotoana io ka hatramin' ny taona 1991, datin' ny fianjeran' ny kômonisma tao amin' ny Firaisana Sôvietika, dia nanaraka lalana mitovy amin' ny an' ny Firaisana Sôvietika ny tantaran' i Okraina.

I Okraina nahazo fahaleovan-tena indray

Ireo fanavaozana voalohany

Leonid Kuchma,
Leonid Kravchuk

Tamin' ny faran' ny taona 1991, nanambara ny fahaleovan-tenany i Okraina, izay neken' ny maherin' ny 90 %n' ny vato tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka. Nahazo fitondrana tamin’ ny alalan’ ny fifidianana filoham-pirenena i Leonid Kravchuk, mpitarika ny Antoko Kômonista Okrainiana teo aloha. Tamin' ny Desambra 1992, ny praiminisitra vaovao, Leonid Kuchma, dia nametraka fanavaozana ara-toekarena izay nifanandrify tamin' ny fiandohan' ny fahasahiranana ara-toekarena sy ny fiakaran' ny vidim-piainana.

Ny amin' i Krimea

Sarintanin' ny Saikanosy Krimea

Tsy ela dia nipoitra ny fifanolanana teo amin' i Rosia sy i Okraina momba an' i Krimea. Fotoana fohy taorian' ny nahazoany ny fahaleovan-tena dia niforona tao Krimea ny fihetsiketseham-pisintahana notarihin' i Rosia. Nanambara ny fahaleovan-tenany mihitsy aza i Krimea, nefa nofoanana izany tamin’ ny Mey 1992. Tamin’ io volana io ihany anefa, ny mpanao lalàna rosiana dia nanambara ny maha foana ny famindràm-pahefana tamin’ ny taona 1954 izay nampiankina an’ i Krimea amin’ i Okraina.

Nanomboka tamin' ny taona 1991 i Okraina sy i Rosia dia samy nanambara ny fifehezany ny andian-tsambo ao amin’ ny Ranomasina Mainty, izay miorina ao amin' ny seranan-tsambon' i Sevastopol (na Sebastopol). Nisy fifanarahana tamin' ny taona 1992 izay nizara ny fibaikoana ireo sambo ireo hatramin' ny taona 1995, datin’ ny fizarazaràna teo amin' ny firenena roa tonta. Tamin' ny volana Janoary 1994 dia nanaiky ny hamindra ny ampahany amin' ny fitaovam-piadiana nokleary ao Okraina, ho an' i Rosia ho takalon' ny fandoro nokleary ilaina amin’ ny famokarana angovo, ny filoha Kravchuk.

Famatsiam-bola iraisam-pirenena

Tamin’ ny volana Febroary 1994, mba hanampiana ny dingana fampihenana ny fitaovam-piadiana sy hisorohana ny firodanan’ ny toekaren’ i Okraina manontolo, dia nampanantena ny governemanta amerikana fa hampitombo avo roa heny ny fanampiana an’ i Okraina. Tamin' io volana io ihany dia nanaiky ny hanatevin-daharana ny fandaharan’ asa fiaraha-miombona antoka ho an' ny fandriam-pahalemana miaraka amin’ ny Fikambanan' ny Fifanarahana Atlantika Avaratra (frantsay: Organisation du traité de l'Atlantique Nord - OTAN) i Okraina, drafitra natao hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin' ireo mpikambana ao amin' ny OTAN sy ireo firenena tsy anisan' izany.

Tamin' ny volana Jolay tamin' io taona io ihany, ny praiminisitra teo aloha Leonid Kuchma no voafidy ho filoha tamin' ny 52 %n' ny vato. Amin' ny fifidianana mpanao lalàna, ny ankamaroany dia mankany amin' ny mpandala ny nentin-drazana ary ny kômonista teo aloha dia mahazo ny maro an' isa. Sarotra tamin' i Leonid Kuchma ny manangana governemanta, saingy nanaiky ny fanavaozana ara-toekarena rehetra ny Antenimiera, ary ny Banky Iraisam-Pirenena dia nanaiky fampindramam-bola maika mitentina 500 tapitrisa dôlara. Nanomboka teo dia mbola nijaly noho ny fahasahiranana tamin’ ny fanovan-jotra indray ny toekareny i Okraina: tsy voaloa ny karaman’ ny mpiasa, nihena ny famokarana, niakatra ny vidim-piainana na dia teo aza ny fampiasana vola okrainiana vaovao (Hryvnia) tamin’ ny taona 1996. Ny fanavaozana, indrindra fa teo amin’ ny famindram-pitantanana ny orinasam-panjakana amin’ ny  tsy miankina, dia nihena noho ny fifanoherana nisy teo amin' ny filoha Kuchma sy ny solombavam-bahoaka kômonista sy sôsialista izay nanamafy ny maro an' isa ao aminy tao amin' ny Antenimiera nandritra ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin' ny volana Marsa 1998.

Fifandraisana amin' i Rosia

Ny fiankinan-doha amin' i Rosia, izay toa iray amin' ireo kilema lehibe teo amin' ny toekarena okrainiana, dia nitarika ho amin’ ny fananganana ny Vaomieran' ny Fiaraha-Miasa ara-Toekarena tamin’ ny tanona 1996. Nandritra izany fotoana izany dia nihatsara ny fifandraisana misy eo amin' ieo firenena roa tonta ireo, tamin' ny fanaovan-tsonia, tamin' ny volana Mey 1997, ny andiam-pifanarahana izay nahafahana nitsinjarana ny sambo miaramila tao amin' ny Ranomasina Mainty sy nahafahan' i Rosia hanofa ny ampahany amin' ny toby Sevastopol (na Sebastopol) mandritra ny roapolo taona. Nisy ihany koa ny fifanarahana momba ny fisakaizana sy ny fiaraha-miasa, izay natao hanamaivana ny disadisa momba ny satan' i Krimea.

Izany fitoniana izany anefa mbola narefo ihany. Noho izany, i Okraina, izay naniry ny hahaleo tena bebe kokoa amin' i Rosia, dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa nokleary tamin' i Etazonia tamin' ny volana Marsa 1998, ho takalon' ny fandaozana ny fanampiana an' i Iràna amin' ny fananganana toby famokarana angovo nokleary. Nikatsaka ny hanamafisana ny fototra eorôpeana koa i Okraina, amin' ny fanaovana fifanarahana momba ny sisin-tany miaraka amin' i Pôlônia ary amin' ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin' ny OTAN nanomboka ny volana May 1997.

Toekarena tsy marin-toerana

Firenena marefo vokatry ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-pôlitika ary ara-tsôsialy i Okraina, sady tsy afaka nisafidy hanaraka ny kapitalisma na ny kômonisma tamin' ny fiandohan' ny taompolo 2000. Ny faniriana ny haha-mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana, izay efa nisy fotoana nandinihana azy, dia tsy nisy resaka intsony, ary nitady fanohanana avy any ivelany i Okraina, avy amin’ i Etazonia sy avy amin' i Rosia. Tamin' ny volana Desambra 2000 dia nakatona tanteraka ny toby famokarana herinaratra Chernobyl, araka ny fampanantenan’ i Okraina tamin' ny taona 1995, ho takalon' ny fanampiana ara-bola mihoatra ny 2 lavitrisa dôlara izay hahafahana manao fanorenana toby roa famokarana angovo.

Viktor Yushchenko

Voatendry ho praiminisitra i Viktor Yushchenko tamin' ny Desambra 1999, taorian' ny fahalanian’ i Leonid Kuchma indray ho filohan' ny Repoblika, ka nitarika fanavaozana ara-toekarena maromaro izay nahafahan' i Okraina nahita fitomboana ara-toekarena voalohany, tamin' ny taona 2000, hatramin' ny nahazoany indray ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1991, ary ny fitomboana tsy mbola nisy hatramin' izay teo amin’ ny famokarana avy amin’ ny taozava-baventy.

Na dia nahazo ny fanohanan' ny Vondrona Eorôpeana aza i Viktor Yushchenko dia tsy maintsy niatrika ny fanoherana tsy nitsaha-nitombo nataon' ny kômonista sy ireo antoko afovoany akaikin' ny filoha Kuchma, nanohitra ny fanavaozana izay nanohintohina ny tombontsoan' izy ireo. Tamin' ny fiafaran' ny fifanandrinana teo amin' ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra dia niongana tamin' ny alalan’ ny latsa-bato nataon' ny Antenimiera i Viktor Yushchenko tamin' ny 27 Avrily 2001, ka nampiditra ny firenena tao anatin' ny fahasahiranana ara-pôlitika lehibe indrindra hatramin' ny nahazoany ny fahaleovan-tenany.

Georgiy Gongadze
Viktor Yanukovych

I Okraina dia firenena sarotra anajana ny zon' olombelona. Voaporofo izany tamin' ny fanjavonan' i Georgiy Gongadze izay talen' ny gazety mpanohitra an-tambazotra Internet, tamin' ny Septambra 2000. Nandritra ny fifidianana solom-bavam-bahoaka tamin' ny Marsa 2002, ny fiaraha-mitantana niforona manodidina ny praiminisitra teo aloha Viktor Yushchenko, izay nantsoina hoe Наша Україна / Nasha Ukraina (midika hoe "Okrainantsika"), dia nahazo 23,6 % tamin' ny vato, teo alohan’ ny Antoko Kômonista, izay nahazo 20 %. Lasa piraiminisitra i Viktor Yanukovych.

Niatrika hetsi-panoherana tsy mitsaha-mitombo ny filoha Kuchma, nefa ny pôlitikan' ny raharaham-bahiny ao Okraina dia mbola nitsingevaheva teo amin’ ny faniriana hiaraka amin' ny Tandrefana andaniny (izany fiarahana izany dia mifototra amin' ny fanavaozana ara-toekarena sy ara-pôlitika hatrany) sy ny filàna fifandraisana tsara amin' i Rosia ankilany.

Tamin' ny volana Aogositra 2003 dia nandefa lehilahy miisa 1 600 tany Iràka i Okraina, ho anisan' ny tafika iraisam-pirenena teo ambany fitarihan' i Pôlônia.

Tamin’ ny volana Desambra 2003 dia nanandrana nandamina ny fifandirana momba ny andilan-dranomasin' i Kerch sy momba ny Ranomasin' i Azov ny Rosiana sy ny Okrainiana, tamin' ny fanaovana sonia fifanarahana momba ny fitantanana ilay lakandrano. Tamin' ny volana Mey 2004 dia nanao sonia fifanarahana tamin' i Rosia sy i Belarosia ary i Kazakstàna i Okraina momba ny fananganana "sehatra ara-toekarena iombonana".

Ny Revôlisiôna Volomboasary

Ny Revolisiona Volomboasary tamin' ny taona 2004.

Ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin' ny fararanon’ ny taona 2004 dia nitarika fahasahiranana ara-pôlitika lehibe, taorian' ny nanambarana ho mpandresy tamin' ny fihodinana faharoa ny kandidàn' ny fitondrana, praiminisitra Viktor Yanukovych, na dia teo aza ny hetsi-panoheran' ny mpanohitra sy ny fanamarihan' ny mpanara-maso iraisam-pirenena — indrindra ny an' ny Fikambanana ho an' ny Fiarovana sy ny Fiaraha-Miasan' i Eorôpa (frantsay: Organisation pour la sécurité et la coopération en Europe - OSCE). Teraka ny hetsika nitondra ny anarana hoe "Revôlisiôna Volomboasary" (okrainiana: Помаранчева революція / Pomarancheva revoliutsiia), mampiseho am-pilaminana ny fanohanany ny kandidàn' ny antoko mpanohitra, Viktor Yushchenko. Noho ny fitokonana an' arabe sy ny fanaren’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena (notarihin’ ny Vondrona Eorôpeana sy i Etazonia), ary nanohitra ny fiokoan' ny Rosiana mpifanolo-bodirindrina, dia nanambara ny Fitsarana Tampony fa tsy manan-kery ny latsa-bato noho ny halehiben' ny hosoka ary nanome baiko ny hanaovana fifidianana fihodinana faharoa vaovao. Ity krizy pôlitika goavana ity dia nanasongadina ny fahasamihafana misy eo amin' ny faritra andrefana amin' i Okraina izay mpomba ny Tandrefana, sy ny ilany atsinanana miteny rosiana sady mankasitraka an' i Viktor Yanukovych.

Nisy fifidianana vaovao natao tamin' ny volana Desambra 2004, dia nadresen’ i Viktor Yushchenko tamin' ny 52 % tamin' ny vato, raha 77 % kosa ny taham-pahavitrihana. Nandefa antso avo i Viktor Yanukovych, saingy nametra-pialana tamin' ny maha praiminisitra azy andro vitsivitsy taty aoriana, sady tsy nanaiky ny fahareseny.

Ny filoha vaovao dia nikasa ny hampihatra pôpitika tsy mitovy amin’ ny nataon' ny teo alohany, voalohany indrindra amin’ izany ny ady amin’ ny kolikoly. Ilay lohan' ny "Revôlisiôna Volomboasary", Yulia Tymoshenko, dia voatendry ho praiminisitra.

Yulia Tymoshenko
Yuriy Yekhanurov

Ny governemanta okrainiana vaovao dia nanatanteraka ny fifindrana mankany amin' ny toekarena fehezin-tsena izay ilaina amin' ny fampidirana azy ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana (ao anatin' izany ny famindrana ny orinasam-panjakana ho an’ ny tsy miankina) ary niezaka ny hanafaka ny firenena amin' ny fiahiana rosiana. Na izany aza, nanomboka tamin' ny lohataonan' ny taona 2005 dia nisy ny "Adin' ny Etona", nataon' i Rosia, nefa tena niankin-doha tamin' ny Rosiana i Okraina noho ny fanafarana angovo, ka izany dia nanaporofo fa sarotra ho an' i Okraina ny fanavaozana ny fifandraisany amin' i Rosia sy ny fitadiavany toerana eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay dia niharatsy ny toe-draharaha ara-tsôsialy sy ara-toekarena sady nihamalemy haingana ny Revôlisiôna Volomboasary noho ny fisaratsarahana sy ny fifampiampangana kolikoly. Tamin' ny volana Septambra 2005 dia nandrava governemanta ny filoha Yushchenko ka notendrena ho praiminisitra ilay mpahay toekarena atao hoe Yuriy Yekhanurov, izay nankatoavin' ny Antenimiera taorian' ny fifanarahana tamin' ny mpanohitra, ary tonga dia nitsidika tany Rosia izy mba hampitony ny disadisam-pifandraisana eo amin' ny firenena roa tonta.

Nandritra ny fifidianana solom-bavam-bahoaka tamin' ny Marsa 2006 dia niaritra fahasahiranana lehibe ny filoha Yushchenko. Nahazo latsaky ny 14 % monja tamin' ny vato (izany hoe 81 amin' ny toerana 450 ao amin' ny Antenimiera) ny antoko Okrainantsika izay lasa laharana fahatelo aorian' ny Antokon' ny Faritra (okrainiana: Партія регіонів / Partija rehioniv) an’ i Viktor Yanukovych (nahazo 32,1 %n’ ny vato sy toerana 186) sy ny Vondron’ i Yulia Tymoshenko (okrainiana: Блок Юлії Тимошенко, БЮТ / Blok Yuliyi Tymoshenko, BYuT) (nahazo 22,3 %n' ny vato sy toerana 129) - nahazo toerana 33 ny Sôsialista ary 21 kosa ny Kômonista. Naharitra volana maromaro ny fifampiraharahana sy ny famerenana ny firaisankina vao izay tanteraka ny fananganana ny governemanta iraisana eo amin' ny Antokon’ ny Faritra sy ny Sôsialista, tamin' ny volana Aogositra, governemanta izay notarihin' i Viktor Yanukovych, mpifanandrina aminy taloha. Noravan’ ny filoham-pirenena ny Antenimiera taorian' ny fifandonana teo amin' ny governemantan' ny maro an' isa nandritra ny volana maromaro. Nandresy tamin’ ireo fifidianana vaovao tamin' ny Septambra 2007 ny Antokon' ny Faritra, izay  teo alohan' ny Vondron' i Yulia Tymoshenko izay nanana ny maro an' isa tamin' ny fiarahany amin' ny Okrainantsika. Voatendry ho praiminisitra i Yulia Tymoshenko.

Ireo ady tao Okraina

Ny Euromaidan sy ny fahaleovan-tenan' i Krimea

Tamin' ny taona 2010 dia lany ho filoham-pirenena i Viktor Yanukovych izay mpomba ny Rosiana. Taorian' ny fandavan' ny governemanta ny hanao sonia fifanarahana fifampiraharahana amin' ny Vondrona Eorôpeana dia niteraka fionganan’ ny fitondrana ny fanamafisana ny hetsika Euromaidan. Vetivety dia nipoaka ny krizy teo amin' ireo faritany miteny rosiana, indrindra any tapany atsimo-atsinanan' i Okraina izay nanohitra ny fahefana vaovao ao Kyiv.

Tamin' ny 11 Marsa 2014 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Krimea, ary taorian' ny fitsapan-kevi-bahoaka dia nakambana tamin' ny Federasiôn’ i Rosia izy tamin' ny 18 Marsa 2014. Ity fitsapan-kevi-bahoaka ity sy ny fampidirana an’ i Krimea ao amin’ ny Federasiônan’ i Rosia dia nomelohin' i Okraina sy ny ampahany be amin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Noho izany, tamin' ny 27 Marsa 2014, ny Fihaonamben' ny Firenena Mikambana dia nandany ny Fehin-kevitra 68/262 momba ny tsy fanombinana amin’ ny tanin' i Okraina, ny ankamaroan' ny firenena dia manameloka ny fanakambanana an' i Krimea amin' i Rosia: firenena 100, anisan' izany i Etazonia sy ny ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana.

Ady tao Donbass

Sarintany maneho an' i Donbass, ao amin' ny tapany atsinanan' i Okraina (nolokoana mavo).

Nipoaka avy eo ny ady an-trano, izay fantatra amin’ ny anarana hoe "Ady tao Donbass", tany amin’ ny tapany atsinanan’ i Okraina izay maro miteny rosiana, ka nahafatesana olona maherin’ ny 10 000.

Lasibatry ny famelezana ny lamina internet i Okraina, famelezana izay natao hampihenana ny maha ara-dalàna ny fitondrana okrainiana sy hitsapana ny fitaovam-piadiana an-tserasera vaovao ary hanakorontana ny toekarena ihany koa. Izany famelezana izany dia afaka nanakatona toby nokleary sasany ary nanakana ny milina mpitsinjara vola tsy hiasa. Anisan' ireo fanafihana ireo ny fampiasana ny NotPetya (prôgrama) izay voalaza fa nisy fiantraikany tamin' ny 70 % hatramin’ ny 80 % n' ny solosaina amin' ny orinasa lehibe. Rehefa nanambara ny valin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2014 ny fahitalavitra lehibe dia niharan' ny fanodinana amin’ ny tsy izy ny vaovao ka nanambara valim-pifidianana diso. Tamin' ny taona 2016, ny OSCE, izay fikambanana niantoka manokana ny fanaraha-maso ny fampitsaharana ny ady ao Okraina, dia lasibatry ny famelezana goavana nataon’ i Môskoa.

Volodymyr Zelensky tamin' ny taopna 2019

Lany ho filoham-pirenen' i Okraina tamin' ny fifidianana natao tamin' ny taona 2019 i Volodymyr Zelensky. Tsy nanana afa-tsy toerana roa tao amin' ny Antenimiera anefa ny antokony Слуга народу / Sluha Narodu ("Mpanompon' ny Vahoaka") ka nonfoanany izany Antenimiera izany mba hanaovany fifidianana indray hahazoany ny maro anisa izay azony tokoa (toerana 254 amin' ny 450).

Na dia nivadika ho fifandonana "malemy vaika" ny ady tao amin' ny faritr' i Donbass, hatramin' ny nanombohan' ny ady, dia olona efa ho iray tapitrisa sy sasany no nafindra toerana, ka ny 850 000 tao Okraina ihany, ny 600 000 tany ivelany (ka ny 350 000 nankany Rosia ary 250 000 nankany amin' ny firenena eorôpeana).

Tamin' ny 21 Febroary 2022 dia nanaiky ny fahaleovan-tenan' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk sy ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Lugansk ny filoha rosiana Vladimir Putin ary nanome baiko ny miaramilany hifindra any amin' ireo faritra atsinana amin' i Okraina ireo (Donbass) amin' ny antsoin' ny Rosiana ho "iraka ho amin’ ny fandriam-pahalemana".

Adin' i Rosia sy i Okraina

Tamin' ny 24 Febroary 2022 dia nanjera baomba mandatsa-dranomaso sy balafomanga amin' ny tanàna okrainiana maromaro i Rosia, anisan' izany i Kyiv (na Kiev). Niditra ao amin' ny tanin' i Okraina ny tafika an-tanety rosiana.

Jereo koa