Tovàna (vahoaka)

Tovàna

Ny Tovàna na Tivàna dia vondrom-poko torkô-môngôly teratany any Siberia monina indrindra any Rosia (Tuva) sy any Môngôlia ary any Sina. Miteny tovàna, fiteny torkika siberiana, izy ireo. Any Môngôlia dia heverina ho iray amin' ny vahoaka Oriankay izy ireo. Amin' ny teny tovàna dia atao hoe Тывалар / Tıvalar izy ireo. Miisa any amin' ny 320 000 izy ireo.

Mpifindrafindra monina, mpiompy andiam-biby fiompy ny Tovàna, miompy osy, ondry, rameva, serfa, omby ary iàka nandritra ny an' arivony taona lasa. Niaina tamin' ny fomba nentim-paharazana anatin' ny trano lay yurt, izy ireo izay afindrany rehefa mifindra any amin' ny kijana vaovao izy ireo. Nizara tamin' ny faritra sivy antsoina hoe khoshuun ny Tovàna, dia i Tozhu, i Salchak, i Oyunnar, i Khemchik, i Khaasuut, i Shalyk, i Nibazy, i Daavan, i Choudu ary i Beezi. Ny efatra voalohany dia nofehezin' ireo andriana môngôliana uriankhai, fa ny ambiny kosa dia nofehezin' ireo andriana môngôliana borjigin.

Jereo koa