Zebra

Zebra

Ny zebra dia biby misy nono ao Afrika atsimon' i Saharà, indrindra ao amin' ny tapany afovoany sy atsimo amin' i Afrika, mitovitovy amin' ny boriky dia, miloko mitsoriandriaka mainty sy fotsy ny hodiny. Miovaova arakaraka ny karazana zebra sy ny zebra tsirairay ny endrika sy ny toerana misy izany mitsoriadriaka izany, ka mampiavaka ny karazana sy ny zebra tsirairay. Iva kokoa noho ny soavaly ny zebra izay manana halavana mirefy 1,90 hatramin' ny 2,60 m. Fohy ny vombony izay mitsangana, lehibe ny sofiny, ary misy volo betsaka ny mankany amin' ny tendron' ny rambony.

Zebran' i Grévy
Zebra-tany lemaka
Zebra an-tendrombohitra

Misy karazany telo ny zebra, dia ny zebra an-tany lemaka (Equus quagga na Equus burchellii) sy ny zebra an-tendrombohitra (Equus zebra) ary ny zebran' i Grévy (Equus grevyi). Ny zebra an-tendrombohitra sy ny zebra an-tany lemaka dia mitovitovy endrika amin' ny soavaly fa ny zebran' i Grévy kosa mitovitovy amin' ny boriky. Ahitana azy ireo ny eny an-kijana, anaty hivoka, amin' ny kirihitra misy tsilo, any anaty ala, an-tendrombohitra sy an-kavoana amorontsiraka. Mihalany tamingana ny zebran' i Grévy sy ny zebra an-tendrombohitra.