Ny maily iraisam-pirenena, antsoina koa hoe maily (avy amin'ny teny anglisy mile) dia halava iray izay mirefy 1 609,344 m. io refy io dia ampiasaina any Etazonia, any amin'ny Fanjakana Mitambatra ary any amin'ny firenena hafa maro ao amin'i Commonwealth. Anisan'ny refy imperialy ny maily.
Ny maily iraisam-pirenena dia samihafa amin'ny maily amerikanina. Ny maily amerikanina dia mirefy 1 609,347 metatra.
Ny teny maily dia avy amin'ny fiteny anglisy taloha mil izay avy amin'ny teny latina millia midika arivo. Ny teny anglisy mile dia avy amin'ny teny latina mille passuum (dingana arivo), anefa any amin'ny faritra hafa an'i Eoropa, ny teny mile (meile amin'ny fiteny alemana, mijl amin'ny fiteny neerlandey), dia avy amin'ny teny latian miliarium spatium (elanelana arivo).
Ny romana dia ny voalohany indrindra ny mampiasa ny refy handrefesana ny halavana lehibe izay nantsoiny hoe mille passuum (ara-tsratra dingana arivo amin'ny fiteny latina. Ny maily romana dia mirefy dingana arivo na tongotra (feet) dimy arivo, izany hoe eo amin'ny 1 479 metatra eo ho eo. Io refy io, izay antsoina ankehitriny hoe Maily romana dia nihatra eraky ny Fanjakambe Romana, miampy fanovana madinika mba hampiady azy amin'ny refy miasa eo amin'ny an-toerana.
|