Ny mônisma dia fomba fijery filôzôfika izay manamafy ny maha iray tsy azo zaraina ny zavatra rehetra. Amin' ny fomba firesahana azy ankehitriny dia manohana ny maha tokana ny zavatra mandrafitra izao rehetra izao ny mônisma. Ny firaisana fototra misy ao amin ny Kôsmôsy na izao rehetra izao dia mahatonga ny matiera sy ny fanahy tsy ho afa-misaraka. Noho izany, ny mônisma dia manohitra ny hevitra doalista, izay manavaka ny tontolo ara-materialy sy ny tontolo ara-panahy, ary manohitra ihany koa ny hevitra filôzôfika ploralista izay mihevitra ny zavatra tsirairay hanana ny fombany na natiorany manokana tsirairay.
Eo amin' ny sehatry ny fahalalana, ny mônisma dia mandrara ny fanavahana ny siansan' ny natiora sy ny siansan' ny fanahy. Ny siansa manontolo avy eo dia aseho ho toy ny tranobe iray. Ny mônisma koa dia mametraka fifandraisana akaiky eo amin' ny filôzôfia sy ny siansa.
Ny mônisma dia manondro ny maha iray na maha tokana ny fato-kevitra iray, toy ny fisiana. Karazana mônisma maro no azo avahana: