Perea

I Perea sy ny manodidina

I Perea dia fileovana ao atsinanan' i Jordàna tamin' ny Andro Taloha nanjakan' ny Rômana tany Atsinanana Akaiky. Mifanandrifindrify amin' ny Galaada (na Gileada) ao amin' ny Testamenta Taloha izy. Mivelatra avy any Delapôlisy mankany Maheronta any atsinan' ny Ranomasina Maty ny taniny. Mety io ilay faritra resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao izay lazaina fa i "Jodea an-tsisin' i Jordana" araka ny Evanjelin' i Matio. Faritra misy havoana iva ahitana orana ampy hampaniry ny voankazo sy ny varimbazaha i Perea.

Ny Grika dia nanorim-ponenana tao amin' io faritra io taorian' ny fandresen' i Aleksandra Lehibe ny faritra Atsinanana Afovoany. Taorian’ ny nahazoan’ ny tarana-mpanjaka Hasmôneana ny fitondrana tany Jodea dia nampidirin’ i Aleksaandra Janeo ilay faritra. Nandritra ny ady an-trano teo amin’ ireo mpitondra hasmôneana farany, i Hirkano II sy i Aleksandro II, dia nozarain' ny jeneraly romanina Aolo Gabinio (Aulus Gabinius) ho distrika maro samihafa i Jodea, ary nanao an’ i Amatôsy (Ἀμαθοῦς / Amathoûs) ho renivohitr' i Perea. Noho ny faneken’ ny emperora Aogosto dia notendren’ i Herôda I Lehibe ho tetrarkan' i Perea i Ferôra (Phéroras) rahalahiny. Tamin’ ny andron’ i Jesoa dia i Herôda Antipasy no nitantana io distrika io. Nomen’ ny Jiosy sata mitovy amin’ i Jodea sy Galilea ilay tanàna.

Lofarano

  1. "Rahefa avy niteny izany Jesoa, dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin'i Jodea, andafin'i Jordany." (Mat. 19.1, Ny Baiboly Masina)