Tel-Aviv-Jaffa

I Tel-Aviv-Jaffa

I Tel-Aviv-Jaffa izay antsoina matetika hoe Tel Aviv na Tel-Aviv, dia tanàna israeliana any amin' ny morontsirak' i Mediteranea ao afovoan' ny tangoron-tanànan' i Gush Dan ao Israely. Ny tanànan' i Tel Aviv ankehitriny dia naorina tamin' ny taona 1909 nandritra ny vanim-potoan' ny Ôtômana teo amin' ny tanàna an-tsisin' i Jaffa, tanàna seranan-tsambo izay nitambatra aminy tamin' ny taona 1950.

Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe תל אביב-יפו, Tēl-ʾĀvīv-Yāfō, fa amin' ny teny arabo kosa dia تل أبيب يافا / Tall ʾAbīb-Yāfā.

I Tel Aviv dia mirefy 14 km manamorona ny morontsirak' i Mediteranea. Mamaritra azy avy ao avaratra i Yarkon (renirano sy valan-javaboary) sy ny tanàna ambanivohitr' i Herzliya sy Ramat Hasharon. Ao atsinanana dia misaraka amin' i Giv'atayim sy i Ramat Gan (foiben' ny fifanakalozana diamondra) izy amin' ny alalan' ny lalambe migodana Ayalon, izay mamakivaky ny reniranon' i Ayalon. Manamorona ny faritra atsimon’ i Tel Aviv ny tanànan' i Bat Yam sy i Holon.

I Tel Aviv dia misy mponina 468 809 eo ho eo tamin' ny Janoary 2022, ka izy no tanàna faharoa lehibe indrindra ao Israely, eo aorian' i Jerosalema (mponina 966 346) ary eo alohan' i Haifa any avaratra kokoa (mponina 282 751).