Volga (ony)

Ny ony Volga ao Yaroslavl.

I Volga no ony lava indrindra any Eorôpa. Izy sy ny sakelidranony dia manondraka mihoatra ny ampahatelon' ny velaran' ny ampahan' i Rosia ao Eorôpa. Atao hoe Волга / Volga izy amin' ny teny rosiana fa İdel kosa amin' ny teny tatara. I Volga dia mipoitra ao amin' ny havoanan' i Valdai, any amin' ny haavo 228 m eo anelanelan' i Môskoa sy i Sankt-Peterburg alohan' ny hidirana ao amin' ny Ranomasina Kaspiena aorian' ny fikorianany izay mahatatra 3 690 km.

Ny faritanin-dranon' i Volga

Saika azo ivezivezena ny halavan' ilay ony manontolo noho ny fanajariana lehibe natao nandritra ny tapany faharoa amin' ny taonjato faha-20. Mirefy 1.350.000 km2 ny faritanin-dranony, izay mampivondrona vahoaka maro isan-karazany.

Hatramin' ny Ady Lehibe Faharoa, ny lohasahan' i Volga dia nifantohan' ny asa indostrian' i Rosia. I Volga koa dia mitana anjara toerana lehibe amin' ny fisainan' ny Rosiana ary nanome aingam-panahy amin' ny famoronana tantara foronina maro sy sary hosodoko ary hira, anisan' izany ilay hira hoe Эй, ухнем ! / Ey uhem (midika hoe: "Eh, andao!").